Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 1:7 - DIEM PROTESTANTA

Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe: –Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho» fa tsy maintsy handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy NY TOMPO tamiko: Aza miteny hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe: –Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho» fa tsy maintsy handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa hoy Iaveh tamiko: «Aza manao hoe: ‹Zaza aho›, fa handeha ho any amin’izay rehetra anirahako anao ianao, ary hilaza izay rehetra handidiako anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy NY TOMPO tamiko: Aza miteny hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.

Jereo ny toko



Jeremia 1:7
20 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’ny TOMPO amiko ihany no hambarako.


Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro ô, efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao, kanefa izaho dia mbola tanora loatra ka tsy mahay mitondra akory.


Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’Andriamanitra ihany no hambarako.


dia hoy Izy taminy: –Izaho no TOMPO! Koa lazao amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao.


«Izao no voalazan’ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan’ny tranoko ianao ary mitenena amin’ny olona rehetra mponin’ireo tanànan’i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.


Rehefa tapitra voalazan’i Jeremià avokoa tamin’ny vahoaka rehetra teo ny tenin’ny TOMPO Andriamaniny araka izay nanirahany azy holazainy aninkeheo,


Ary ianao, ry Jeremià, na dia hilaza izany teny rehetra izany aminy aza, dia tsy hihaino anao izy; ary na dia hampita ny antsoko aminy aza ianao, dia tsy hamaly anao akory izy.


Fa avereno aminy ihany izay hambarako anao na hihaino izy na tsy hihaino noho ny di-dohany.


Nefa raha misy zavatra holazaiko amin’ny alalanao, dia hataoko afa-miteny ianao. Amin’izay dia hiteny aminy ianao ka hanao hoe: «Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY». Ny sasany dia ho vonona hihaino anao, fa ny sasany kosa tsy hanaiky hihaino anao satria vahoaka maditra izy.»


Saingy nalain’ny TOMPO teo am-piandrasana biby fiompy aho ka nitenenany hoe: «Mandehana ianao ka mijoroa ho mpaminany amin’ny Israely vahoakako.»


–Mitsangàna ka mankanesa any Ninive ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny hafatra izay nolazaiko anao.


Tamin’ny alina, dia nankao amin’i Balahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.


Dia hoy i Balahàma tamin’i Balàka: –Indro aho efa tonga eto aminao ankehitriny. Nefa inona moa no azoko lazaina aminao afa-tsy izay teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako ihany?


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Tsy nafeniko fa notorîko taminareo avokoa ny fikasan’Andriamanitra.