Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 7:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Ary ianao, ry Jeremià, na dia hilaza izany teny rehetra izany aminy aza, dia tsy hihaino anao izy; ary na dia hampita ny antsoko aminy aza ianao, dia tsy hamaly anao akory izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo dia tsy hihaino anao izy; ary na dia antsoinao aza izy dia tsy hamaly anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Ary ianao, ry Jeremià, na dia hilaza izany teny rehetra izany aminy aza, dia tsy hihaino anao izy; ary na dia hampita ny antsoko aminy aza ianao, dia tsy hamaly anao akory izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Holazainao aminy izany rehetra izany, nefa tsy hihaino anao izy; hiantsoantso azy ireo ianao, nefa tsy hamaly anao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, Dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, Dia tsy hamaly anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 7:27
11 Rohy Ifampitohizana  

Nahoana, fony tonga Aho, no tsy nahita olona; nahoana, fony niantso Aho, no tsy nisy namaly? Ny tanako ve no fohy loatra ka tsy mahavonjy? Sa Izaho no tsy manan-kery hoenti-manafaka? Indro mandrahona fotsiny Aho, dia maina ny ranomasina na manjary taniefitra ny ony. Amin’izay, noho ny tsy fisian’ny rano, dia matin-ketaheta ny trondro ka maimbo.


dia hatolotro ho voan’ny sabatra ianareo ka haringana avokoa eo am-pandohalehana, satria nantsoiko ianareo fa tsy namaly ary nitenenako fa tsy nihaino. Izay ratsy eo imasoko no nataonareo, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.


Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe: –Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho» fa tsy maintsy handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao.


«Izao no voalazan’ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan’ny tranoko ianao ary mitenena amin’ny olona rehetra mponin’ireo tanànan’i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.


ka nanao hoe: «Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.


Tsy nafeniko fa notorîko taminareo avokoa ny fikasan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra