Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao, nariany lavitra azy ny lalànao, novonoiny ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hiverina aminao; koa notevatevainy tokoa Ianao.
Hosea 8:12 - DIEM PROTESTANTA Na ho an’arivony mihitsy aza no hanoratako ho azy ny lalànako, dia hoheveriny ho zava-poana izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na dia soratako ho azy aza ny antsipiriany amin’ny lalànako, dia ataony ho toy ny avy amin’olon-kafa izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na ho an’arivony mihitsy aza no hanoratako ho azy ny lalànako, dia hoheveriny ho zava-poana izany. Baiboly Katolika Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin’ny lalàko aza Aho, dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an’izany. Baiboly Protestanta Malagasy Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ny lalàko aza, Dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany. Malagasy Bible Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany. La Bible en Malgache Na dia soratako ho azy aza ny antsipiriany amin’ny lalànako, dia ataony ho toy ny avy amin’olon-kafa izany. |
Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao, nariany lavitra azy ny lalànao, novonoiny ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hiverina aminao; koa notevatevainy tokoa Ianao.
Fa vahoaka maditra izy ireo, zanaka mandainga, tsy mety mihaino ny fampianaran’ny TOMPO.
Nomeko azy ny lalànako ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny.
Ho ringana ny vahoakako noho ny tsifisian’ny fahalalana Ahy. Satria efa nandà ny fahalalana Ahy ianao, ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony. Nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.