Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 4:4 - DIEM PROTESTANTA

Tsy iza no ampangaina sy kianina, fa ny tenanao mpisorombe no ifandaharako, hoy ny Tompo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kanefa aza misy miampanga na manome tsiny fa ny olonao dia efa tahaka ireo mifamaly amin’ny mpisorona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy iza no ampangaina sy kianina, fa ny tenanao mpisorombe no ifandaharako, hoy ny Tompo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nefa aza misy manohitra, aza misy mitaraina, fa efa toy ny manana ady amin’ny mpisorona ny firenenao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin’ny mpisorona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kanefa aza misy miampanga na manome tsiny fa ny olonao dia efa tahaka ireo mifamaly amin’ny mpisorona.

Jereo ny toko



Hosea 4:4
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»


Hampiraiketiko amin’ny lanilaninao ny lelanao, ka hanjary moana tsy ho afa-mananatra io firenena maditra io ianao.


Tafaray amin’ny sampy i Efraîma, ka avelao izy


Halanareo ny olona mananatra eo amin’ny fitsarana ary maharikoriko anareo ny vavolombelona milaza ny marina.


Noho izany, dia mangina ny olon-kendry amin’izao fotoana izao satria fotoana ratsy izao.


Ny tompo-manjo no haka ny faty, sy voatery hamoaka azy hiala ny trano, sady hiteny amin’izay anankiray sisa velona ao an-trano hoe: «Mbola misy ve miaraka aminao?» Ka hovaliany hoe: «Tsy misy intsony!» Ary hampiany hoe: «Mangina! Fa aza tonontononina ny anaran’ny TOMPO.»


Fa hovonoin-ko faty kosa ny olona entim-piavonavonana ka tsy mihaino an’ireo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo na tsy mihaino an’ilay mpitsara. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivon’i Israely.