Jeremia 18:18 - DIEM PROTESTANTA18 Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ny mpisorona, na ny tolo-tsaina avy amin’ny hendry, na ny teny avy amin’ny mpaminany. Aoka hoenti-mamely azy ny lelantsika ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika18 Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika; fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona, na ny hevitra ao amin’ny hendry, na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany! Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy, ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 DIA hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny làlana avy amin’ny mpisorona, na ny saina avy amin’ny hendry, na ny teny avy amin’ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny. Jereo ny toko |
«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »
Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty
Fa ny zavatra rehetra efa tapakay ihany no hataonay: dia ny hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny andriamanibavy Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra, tahaka izay efa nataon’ny tenanay sy ny ray aman-dreninay sy ny mpanjakanay ary ireo mpitondra anay tany amin’ireo tanànan’i Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa voky hanina izahay tamin’izany sady nambinina ary tsy nidiran-doza.