Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 1:9 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Lô-Hamỳ ny anarany, satria tsy vahoakako ianareo, ary tsinontsinona Aho aminareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy NY TOMPO: Ataovy hoe Lo-Amỳ ny anarany fa tsy oloko ianareo, ary Izaho tsy anareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Lô-Hamỳ ny anarany, satria tsy vahoakako ianareo, ary tsinontsinona Aho aminareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Amì ny anarany, fa ianareo tsy vahoakako, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Jehovah: Ataovy Lô-amy no anarany; fa hianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy NY TOMPO: Ataovy hoe Lo-Amỳ ny anarany fa tsy oloko ianareo, ary Izaho tsy anareo.

Jereo ny toko



Hosea 1:9
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko, dia tsy handefitra amin’ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!


Nony ampitso vao novahan’i Pasehora, teo amin’ny tsatòka i Jeremià. Ary hoy i Jeremià taminy: –Tsy i Pasehora intsony no anarana hiantsoan’ny TOMPO anao fa Magôra-Misabiba, izany hoe «Fihorohoroana hatraiza hatraiza».


Rehefa nisara-nono i Lô-Rohamà, dia nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazalahy.


Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany,