Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 2:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Kanefa, indray andro any, ny isan’ny Israelita dia ho marobe tsy tambo isaina toy ny fasika amin’ny ranomasina. Ary eo amin’ny toerana izay nilazana taminy hoe: «Tsy vahoakako ianareo», no hanambaràna aminy kosa hoe: «Zanak’ilay Andriamanitra velona».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Kanefa, na izany aza, ny isan’ny Zanak’Israely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy azo afàtra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hilazana aminy hoe: Zanak’Andriamanitra velona ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Kanefa, indray andro any, ny isan’ny Israelita dia ho marobe tsy tambo isaina toy ny fasika amin’ny ranomasina. Ary eo amin’ny toerana izay nilazana taminy hoe: «Tsy vahoakako ianareo», no hanambaràna aminy kosa hoe: «Zanak’ilay Andriamanitra velona».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ny isan’ny zanak’i Israely dia ho tahaka ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy afàtra na isaina, ary any amin’ny tany nilazana taminy hoe: «Tsy vahoakako ianareo», no hanaovana an’ny hoe: Zanak’Andriamanitra velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Kanefa, na dia izany aza, ny isan’ny Zanak’Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko hianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak’Andriamanitra velona hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Kanefa, na izany aza, ny isan’ny Zanak’Israely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy azo afàtra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hilazana aminy hoe: Zanak’Andriamanitra velona ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 2:1
17 Rohy Ifampitohizana  

fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.


Fa izao no fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoakan’i Israely, aorian’izany andro izany: Hapetrako ao an’eritreriny ny lalànako ary hosoratako ao am-pony, ka ho Andriamaniny Aho ary izy ho vahoakako. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny.


Satria manenika an’i Babilônia ny fahotany tamin’ilay Masin’i Israely. –Ilay Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao kosa tsy mba namela an’i Israely sy i Joda ho mpitondratena.–


Amin’izay dia hizotra araka ny lalànako rehetra ianareo ary hitandrina ny fitsipiko ka hampihatra azy, dia ho vahoakako ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo.


Hohamaroiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo ka hitombo isa sy hiteraka. Ho betsaka tahaka ny taloha ny mponina ary hataoko mandroso kokoa noho ny fahizany. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.


Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.


Hiara-monina aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo kosa ho vahoakako.


Dia hiray hina ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.


Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany,


Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »


Izahay no manana izany fanompoana izany, dia noho ny indrafon’Andriamanitra taminay; koa tsy mety ketraka izahay.


na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko.


Tsy vahoakan’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa vahoakany; tsy nahazo ny famindrampon’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa nahazo ny famindrampony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra