Iny faha-600 taona niainan’i Noà iny, tamin’ny volana faharoa, andro faha-17, dia niboiboika be ny rano avy any ambanin’ny tany tamin’ireo loharano rehetra, ary nivoha nidanadana ny varavaran’ny lanitra.
Genesisy 8:14 - DIEM PROTESTANTA Ary fony andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina tanteraka ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary fony andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina tanteraka ny tany. Baiboly Katolika Ary tamin’ny volana faharoa, andro fahafito amby roapolon’ny volana, dia maina ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ny volana faharoa, dia maina ny tany. Malagasy Bible Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany. La Bible en Malgache Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina ny tany. |
Iny faha-600 taona niainan’i Noà iny, tamin’ny volana faharoa, andro faha-17, dia niboiboika be ny rano avy any ambanin’ny tany tamin’ireo loharano rehetra, ary nivoha nidanadana ny varavaran’ny lanitra.
Fa tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, nony feno 601 taona i Noà, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany. Nesorin’i Noà ny tafon’ny sambofiara ka hitany fa efa maina ny velaran’ny tany.
Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna; koa tamin’ny volana faha-12, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.
Tamin’ny taona faha-27 taorian’ny fahababoana, nony andro voalohan’ny volana voalohany, dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe: