Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 8:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Fa tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, nony feno 601 taona i Noà, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany. Nesorin’i Noà ny tafon’ny sambofiara ka hitany fa efa maina ny velaran’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona fahiraika sy eninjato dia ritra ny rano teny ambonin’ny tany. Ary nanaisotra ny tafon’ny sambofiara i Noa ka nijery ary indro, efa maina ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Fa tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, nony feno 601 taona i Noà, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany. Nesorin’i Noà ny tafon’ny sambofiara ka hitany fa efa maina ny velaran’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Tamin’ny taona faharaika amby enin-jato, tamin’ny volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany. Nesorin’i Nôe ny tafon’ny sambo fiara, dia nijery izy, ka hitany fa efa maina ny vohon’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 ARY tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany; ary nanaisotra ny tafon’ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona fahiraika sy eninjato dia ritra ny rano teny ambonin’ny tany. Ary nanaisotra ny tafon’ny sambofiara i Noa ka nijery ary indro, efa maina ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 8:13
3 Rohy Ifampitohizana  

Iny faha-600 taona niainan’i Noà iny, tamin’ny volana faharoa, andro faha-17, dia niboiboika be ny rano avy any ambanin’ny tany tamin’ireo loharano rehetra, ary nivoha nidanadana ny varavaran’ny lanitra.


Feno 600 taona i Noà raha tonga ny safo-drano lehibe teto ambonin’ny tany.


Ary fony andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina tanteraka ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra