Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 7:9 - DIEM PROTESTANTA

dia tonga tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin’i Noà tao amin’ny sambofiara araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’Andriamanitra an’i Noa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia tonga tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin’i Noà tao amin’ny sambofiara araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

dia samy nanatona tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin’i Nôe, ao an-tsambo fiara, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia nisy niditra tsiroa-roa ho ao amin’i Noa tao anatin’ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’Andriamanitra an’i Noa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’Andriamanitra an’i Noa.

Jereo ny toko



Genesisy 7:9
12 Rohy Ifampitohizana  

Tany no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitra ny karazam-bibidia sy voro-manidina rehetra, ka dia nentiny teo amin-draolombelona ireny hahitany izay anarana hiantsoany azy. Ary dia izay hanononan-dralehilahy azy no ho anarany.


Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.


Nony afaka herinandro dia safotry ny ranobe ny tany.


Samy tonga tsiroaroa teo amin’i Noà tao anatin’ny sambofiara ireo voaary rehetra manam-pofonaina.


Lahy sy vavy tamin’ireo zava-mananaina rehetra ireo no niditra tao, araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà. Avy eo dia nohidin’ny TOMPO ny varavarana.


Ny biby madio sy ny biby maloto ary ny voro-manidina sy ireo bibikely mihetsiketsika ambonin’ny tany koa


Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak’ondry; ny liona hihinam-bilona toy ny omby, ary ny menarana kosa dia vovoka no ho fihinany. Tsy hisy fanaovan-dratsy intsony, hoy AHO, na fanimbàn-javatra intsony, manerana ny tendrombohitro masina!


Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.


Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.