Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 8:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa dia samy mitandrina ny fotoana fiverenany avy; fa ny oloko kosa dia tsy mba mahalala ny fitsipiky NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ny vano eny amin’ny habakabaka aza mahalala ny fotoan’androny, ny domohina aman-tsindintsidina mbamin’ny vanobe, samy mitandrina ny fotoam-piverenany koa; fa ny vahoakako kosa, tsy mahalala ny lalàn’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan’androny, Ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa Samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa dia samy mitandrina ny fotoana fiverenany avy; fa ny oloko kosa dia tsy mba mahalala ny fitsipiky NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 8:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Mamelana amin’ny tany ny voninkazo, tonga ny fotoam-pikalokaloana ka re atỳ amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina.


Ny omby mahalala ny tompony manana azy, ary ny boriky mahalala ny fihinanam-bilona izay famahanan’ny tompony azy; Fa i Israely tsy te hahalala na inona na inona; eny, ny vahoakako tsy mba mahafantatra.»


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Miala liana amin’ny feom-baliha sy lokanga ombàn’ny ampongatapaka sy sodina ireo; fa izay ataon’ny TOMPO tsy ahoany ary ny asa vitany tsy jereny akory!


«Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.


Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.


Noho izany, dia tsy manan-kery ny lalàna; ary tsy mivoaka mandresy ny rariny. Tsy mahaleo ny ratsy fanahy ny olo-marina, ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra.


Raha nanopy maso aho, dia indreo hitako nisy vehivavy roa nanidina; ny rivotra no nanampy tosika ny elany, fa nanana elatra toy ny an’ny vano izy. Noraisin’izy roa vavy ilay vata ka nentiny nisidina teny amin’ny habakabaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra