Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 7:8 - DIEM PROTESTANTA

Ny biby madio sy ny biby maloto ary ny voro-manidina sy ireo bibikely mihetsiketsika ambonin’ny tany koa

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’izay rehetra mandady na mikisaka amin’ny tany

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny biby madio sy ny biby maloto ary ny voro-manidina sy ireo bibikely mihetsiketsika ambonin’ny tany koa

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny biby madio sy ny tsy madio, ny vorona sy izay rehetra mikisaka amin’ny tany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’izay rehetra mandady na mikisaka amin’ny tany,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’izay rehetra mandady na mikisaka amin’ny tany

Jereo ny toko



Genesisy 7:8
7 Rohy Ifampitohizana  

Itondray tsiroaroa avy ny zava-mananaina rehetra isan-karazany, dia lahy sy vavy; ka ampidiro ao an-tsambofiara mba hovelomina miaraka aminao.


Ny vorona isan-karazany ary ny biby hafa rehetra isan-karazany eto an-tany, na lehibe na kely, no hankeo aminao tsiroaroa mba hovelomina.


niditra tao koa ireo bibidia amam-biby fiompy rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra isan-karazany mihetsiketsika ambonin’ny tany mbamin’ireo voro-manidina rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra manana elatra.


Makà biby madio mpivady fito isaky ny karazany avy, ary biby maloto mpivady iray ihany kosa isaky ny karazany avy, ka ento miaraka aminao;


toy izany koa ny amin’ny voro-manidina, makà mpivady fito isaky ny karazany avy: dia mba samy hamelona taranaka eo amin’ny velaran’ny tany tontolo ireny.


dia tonga tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin’i Noà tao amin’ny sambofiara araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà.


Ary tao anatiny dia nisy biby isan-karazany, ny mandeha tongotra efatra mbamin’ny mikisaka amin’ny tany, ary koa voro-manidina isan-karazany.