Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.
Genesisy 7:5 - DIEM PROTESTANTA Dia nataon’i Noà izay rehetra nandidian’ny TOMPO azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia narahin’i Noa izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nataon’i Noà izay rehetra nandidian’ny TOMPO azy. Baiboly Katolika Notanterahin’i Nôe avokoa izay rehetra nasain’i Iaveh ataony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy. Malagasy Bible Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy. La Bible en Malgache Dia narahin’i Noa izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy. |
Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.
Lahy sy vavy tamin’ireo zava-mananaina rehetra ireo no niditra tao, araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà. Avy eo dia nohidin’ny TOMPO ny varavarana.
Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony.
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Jôhany.
Fa hoy i Jesoa tamin’izay rehetra teo: –Ny reniko sy ny rahalahiko dia izay mihaino ny tenin’Andriamanitra no sady manatanteraka azy.
Dia hoy ny renin’i Jesoa tamin’ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!
Nanetry tena Izy ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.