dia tsy mbola nisy kirihitra ny tany, ary tsy nisy ahitra nitsimoka akory, satria tsy mbola nampilatsaka orana tamin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra ary tsy mbola nisy olombelona hiasa ny tany.
Genesisy 7:4 - DIEM PROTESTANTA Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha afaka hafitoana, Izaho hampilatsaka ranonorana ambonin’ny tany efapolo andro sy efapolo alina; ary ny mananaina rehetra izay nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko. Baiboly Katolika Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho, mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina; ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha afaka hafitoana, Izaho hampilatsaka ranonorana ambonin’ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ny tany. Malagasy Bible Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany. La Bible en Malgache Fa raha afaka hafitoana, Izaho hampilatsaka ranonorana ambonin’ny tany efapolo andro sy efapolo alina; ary ny mananaina rehetra izay nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ny tany. |
dia tsy mbola nisy kirihitra ny tany, ary tsy nisy ahitra nitsimoka akory, satria tsy mbola nampilatsaka orana tamin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra ary tsy mbola nisy olombelona hiasa ny tany.
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noà: «Tapa-kevitra aho handringana ny olombelona. Fa noho ny aminy dia feno herisetra ny tany, koa hofongorako eto an-tany izy.
Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.
Koa hoy ny TOMPO hoe: «Tsy hitoetra mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko noho ny faniasiavany; amin’ny maha nofo azy dia ho 120 taona ny andro iainany.»
Dia hoy IZY hoe: «Hofoanako tsy hisy ambonin’ny tany ny olombelona izay noarîko sy ny biby rehetra na lehibe na kely, hatramin’ny voro-manidina, satria manenina Aho tamin’ny nanaovako ireo.»
Naharitra efapolo andro ny safo-drano teny ambonin’ny tany. Rehefa nitombo ny rano, dia nanainga ny sambofiara, hitsinkafona hiala amin’ny tany.
toy izany koa ny amin’ny voro-manidina, makà mpivady fito isaky ny karazany avy: dia mba samy hamelona taranaka eo amin’ny velaran’ny tany tontolo ireny.
Dia mbola niandry herinandro indray izy vao nandefa ilay voromahailala izay tsy niverina intsony kosa.
Nihidy ny loharano niboiboika avy any ambanin’ny tany sy ny varavaran’ny lanitra, ary nitsahatra ny ranonorana.
Ho voatahiry an-tsoratra avokoa anie ny heloka vitan’ireo fahavaloko, ka tsy hisy hoekenao ho marina izy!
Koa lazain’ny TOMPO fa hoesoriny tsy ho eto ambonin’ny tany ianao; alohan’ny faran’ity taona ity, dia ho faty ianao satria nanosika ity firenena ity hikomy amin’ny TOMPO.
Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana, fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan’ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
«Izay maharesy dia hampiakanjoina akanjo fotsy toy izany koa; tsy hamono ny anarany ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay Aho; ary hanaiky azy ho mpomba Ahy eo anatrehan’ny Raiko sy ny *anjeliny.