Jeremia 28:16 - DIEM PROTESTANTA16 Koa lazain’ny TOMPO fa hoesoriny tsy ho eto ambonin’ny tany ianao; alohan’ny faran’ity taona ity, dia ho faty ianao satria nanosika ity firenena ity hikomy amin’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201116 Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hesoriko tsy ho amin’ny tany ianao; amin’ity taona ity ihany no hahafatesanao satria fikomiana tamin’NY TOMPO no notorìnao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara16 Koa lazain’ny TOMPO fa hoesoriny tsy ho eto ambonin’ny tany ianao; alohan’ny faran’ity taona ity, dia ho faty ianao satria nanosika ity firenena ity hikomy amin’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Katolika16 Koa izao no lazain’i Iaveh: Indro esoriko tsy ho eto ambonin’ny tany ianao, dia ho faty ianao satria fiodinana amin’i Iaveh no notorìnao.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy16 Koa izao no lazain’i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin’ny tany hianao; amin’ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin’i Jehovah no notorinao Jereo ny tokoMalagasy Bible16 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin'ny tany ianao; amin'ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notorinao Jereo ny toko |
Raha izany no hataonao, dia hiteny ny Ejiptianina hoe: «Halozana no namoahan’ny Tompo ireo Israelita ireo hiala ny tanintsika, mba handringanany azy any an-tendrombohitra, ary hanafoanany azy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony.» TOMPO ô, toneo ny hatezeranao, ary avelao ny loza saika hamelezanao ny vahoakanao.
dia Izaho TOMPO no manamafy fa hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Semahià sy ny taranany Aho: Tsy hisy na iray aza amin’ny fianakaviany ho tafajanona eo anivonareo mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako; satria nanosika anareo vahoakako hikomy amiko TOMPO izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »
noho izany, ry Amatsià, dia izao no lazain’ny TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao; ireo zanakao lahy sy vavy dia haringana amin’ny sabatra; ny taninao dia hozarazaraina amin’ny tady sy homena olon-kafa; ianao dia ho faty any amin’ny tany fanompoan-tsampy ary ny taranak’i Israely dia ho lasan-ko babo lavitry ny taniny.»