Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany.
Genesisy 5:5 - DIEM PROTESTANTA Nisy 930 taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny andro rehetra niainan’i Adama dia telopolo sy sivinjato taona; dia maty izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy 930 taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy. Baiboly Katolika Telopolo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan’i Adama; dia maty izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny andro rehetra niainan’i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. Malagasy Bible Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. La Bible en Malgache Ny andro rehetra niainan’i Adama dia telopolo sy sivinjato taona; dia maty izy. |
Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany.
Taorian’ny nahaterahan’i Seta, dia mbola velona nandritra ny 800 taona i Adama, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.
Eny, tsy maintsy ho faty isika rehetra, ka ho tahaka ny rano raraka an-tany tsy azo raofina intsony. Saingy tsy mbola izany no irîn’Andriamanitra ho an’i Absalôma izao; ny heveriny kosa dia mba tsy ho lavitra Azy ilay voaroaka.
Eny, fantatro fa hoentinao any amin’ny fahafatesana aho, dia any amin’ilay fonenana ifamotoanan’ny olombelona rehetra.
Tsarovy fa fohy loatra ny fiainako! Toa zava-poana dia zava-poana no naharianao anay olombelona.
Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an’izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin’ny varo-tsy mifody izahay.
Amin’izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin’ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe.
Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.
Ny velona manko mba mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy misy valisoa intsony ho azy satria efa nohadinoina ireo.
Amin’ny fotoan-drehetra, mitafia akanjo fitondra amin’ny andro fety ary aza hadinoina ny manisy ilomanitra ny tarehinao.
Fa samy Ahy avokoa ny ain’ny tsirairay avy, na ny an’ny ray aman-dreny na ny an’ny zanany; koa izay olona manota ihany no ho faty.
Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homena azy.
Tendry ho an’ny olona tokoa ny ho faty indray mandeha, ary avy eo dia hotsarain’Andriamanitra izy;