I Henôka no ray niteraka an’i Hirada; i Hirada no ray niteraka an’i Mehojaela; i Mehojaela no ray niteraka an’i Metosaela; ary i Metosaela kosa no ray niteraka an’i Lamèka.
Genesisy 5:25 - DIEM PROTESTANTA Rehefa feno 187 taona i Metosèla, dia niteraka an’i Lamèka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fito amby valopolo amby zato taona i Metosela raha niteraka an’i Lameka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa feno 187 taona i Metosèla, dia niteraka an’i Lamèka. Baiboly Katolika Fito amby valopolo amby zato taona ny andro niainan’i Matosalema vao niteraka an’i Lameka izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’i Metosela, dia niteraka an’i Lameka izy. Malagasy Bible Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy. La Bible en Malgache Fito amby valopolo amby zato taona i Metosela raha niteraka an’i Lameka. |
I Henôka no ray niteraka an’i Hirada; i Hirada no ray niteraka an’i Mehojaela; i Mehojaela no ray niteraka an’i Metosaela; ary i Metosaela kosa no ray niteraka an’i Lamèka.
Niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy; ary tsy hita izy satria nalain’Andriamanitra ho any aminy.
Taorian’ny nahaterahan’i Lamèka, dia mbola velona nandritra ny 782 taona i Metosèla ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.