Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 5:1 - DIEM PROTESTANTA

Ity no lisitry ny taranak’i Adama: Tamin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona, dia nataon’Andriamanitra manahaka Azy ny olombelona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ity no boky milaza ny taranak’i Adama. Tamin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’Andriamanitra no nanaovany azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ity no lisitry ny taranak’i Adama: Tamin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona, dia nataon’Andriamanitra manahaka Azy ny olombelona.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ity no boky misy ny tantaran’i Adama. Tamin’ny naharian’Andriamanitra ny olombelona dia nataony manahaka an’Andriamanitra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ITY no boky milaza ny taranak’i Adama: Tamin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’Andriamanitra no nanaovany azy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ity no boky milaza ny taranak’i Adama. Tamin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’Andriamanitra no nanaovany azy.

Jereo ny toko



Genesisy 5:1
15 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany:


Izany no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny naharian’Andriamanitra azy. Fony nanao ny tany sy ny lanitra ny TOMPO Andriamanitra,


Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra.


I Adàma no rain’i Seta; i Seta no rain’i Enôsa;


Aza hadino Ilay nahary anao amin’ny androm-pahatanoranao. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: «Mankaleo ahy ny miaina.»


Izao no zavatra hany mba fantatro: Andriamanitra dia nanao ny olombelona mahitsy fo, saingy ireo no nampananosarotra zavatra maro.


Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.


Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria mitaratra ny endrika amam-boninahitra izy. Ny vehivavy kosa mitaratra ny voninahitry ny lehilahy:


Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain’ilay Fanahin’ny Tompo.


ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarîna araka an’Andriamanitra, ka asehon’ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.


ary efa notafînareo ny toetra vaovao: dia ny toetry ny olona havaozin’Andriamanitra hatrany araka ny endrik’Izy Mpahary azy, mba ho tonga amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra.


Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.


Nanana ny raintsika eto an-tany isika, ary nampihatra famaizana tamintsika izy ka izany no anajantsika azy; fa vao mainka tokony hanaiky ilay Raintsika any an-danitra isika mba ho velona.