ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!
Genesisy 47:10 - DIEM PROTESTANTA Dia nisaotra sy nanao veloma ny Farao i Jakôba ary niala teo anatrehany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa avy nisaotra an’i Farao i Jakoba dia niala teo anatrehany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nisaotra sy nanao veloma ny Farao i Jakôba ary niala teo anatrehany. Baiboly Katolika Dia nisaotra an’i Faraôna indray i Jakôba, dia lasa niala teo anatrehany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jakoba, rehefa nisaotra an’i Farao, dia lasa niala teo anatrehany. Malagasy Bible Ary Jakoba, rehefa nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany. La Bible en Malgache Rehefa avy nisaotra an’i Farao i Jakoba dia niala teo anatrehany. |
ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!
Tao amin’ny faritra tsara indrindra tany Ejipta, tao amin’ny faritra manodidina an’i Ramsesa, no napetrak’i Jôsefa ny rainy sy ireo rahalahiny, araka ny baikon’ny Farao, ary nomeny zaratany.
Nentin’i Jôsefa teo anatrehan’ny Farao koa i Jakôba rainy. Dia niarahaba sady nirary soa ny Farao i Jakôba,
Dia hoy ny mpanjaka: –Aoka àry hiaraka amiko i Kimihama, ka hanaovako izay sitrakao; ary ny zavatra rehetra hangatahinao amiko, dia hataoko ho anao.
dia nirahin’i Tôhỳ ho any amin’i Davida mpanjaka i Jôrama zanany lahy mba hiarahaba sy hidera azy noho ny niadiany tamin’i Hadadehezera ka nandreseny azy; fa mpiady tamin’i Tôhỳ io Hadadehezera io. Nitondra fanaka volafotsy sy volamena ary halimo ho an’i Davida i Jôrama.
ka tsy mampiteny ny mpandalo hoe: «Notahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo ê!» Amin’ny anaran’ny TOMPO no irarianay fitahiana ho anareo!
Rehefa nadiva ho faty i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia izao no tsodrano nataony tamin’ny Israelita:
Dia nitsodrano an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè i Josoa ka nanome an’i Hebrôna ho lovany.
Taoriana kely dia indro tonga i Bôhaza avy tany Betlehema, ka niarahaba ny mpijinja hoe: –Hiaraka aminareo anie ny TOMPO! Dia novalian’ireo hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao!