Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:4 - DIEM PROTESTANTA

Koa raha alefanao hiaraka aminay i Benjamîna, dia handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha alefanao miaraka aminay ny rahalahinay dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa raha alefanao hiaraka aminay i Benjamîna, dia handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ka raha avelanao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay hividy hanina ho anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha alefanao miaraka aminay ny rahalahinay dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao.

Jereo ny toko



Genesisy 43:4
5 Rohy Ifampitohizana  

Indro, reko fa misy vary any Ejipta. Koa andeha midina any mividy vary ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty.


Koa rehefa lany avokoa ny vary rehetra nentina avy tany Ejipta, dia hoy i Jakôba tamin’ireo zanany lahy: –Andeha indray ianareo miverina mividy sakafo ho antsika.


Fa namaly azy i Joda nanao hoe: –Ilay tompon’ny tany dia nanafatrafatra mafy anay hoe: «Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»


Fa raha tsy alefanao kosa izy, dia tsy handeha izahay satria ralehilahy io dia nilaza taminay hoe: «Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»


dia nitenenanay hoe: «Tsy afaka mankany izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy; fa raha tsy midina miaraka aminay izy, dia tsy afaka handray anay ilay tompon’ny tany.»