Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 44:26 - DIEM PROTESTANTA

26 dia nitenenanay hoe: «Tsy afaka mankany izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy; fa raha tsy midina miaraka aminay izy, dia tsy afaka handray anay ilay tompon’ny tany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dRalehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 dia nitenenanay hoe: «Tsy afaka mankany izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy; fa raha tsy midina miaraka aminay izy, dia tsy afaka handray anay ilay tompon’ny tany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 dia izao no navalinay: ‹Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 44:26
6 Rohy Ifampitohizana  

Koa izao no fizahan-toetra hatao aminareo: Velona ny Farao, ka mianiana aho fa tsy hiala eto mihitsy ianareo raha tsy tonga eto izany zandrinareo faralahy izany.


Nosavain-dralehilahy avokoa ny kitapo rehetra nanomboka tamin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra, ka tao amin’ny kitapon’i Benjamîna no nahitana ilay tsangambava.


Koa rehefa nilaza taminay ny rainay mba hiverina hividy sakafo,


Dia hoy i dada mpanomponao hoe: «Fantatrareo tsara fa roa lahy ihany no zanakay sy i Rahely vadiko.


Hamaly kosa angamba ny ao an-trano hanao hoe: «Aza sahiranina aho, fa ny varavarana efa mihidy ary izaho sy ny vady aman-janako efa samy am-pandriana, ka tsy afaka hifoha hanome mofo anao aho.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra