Ary nisy mosary tao amin’ny tany; ka rehefa nihamafy izany, dia nidina tany Ejipta ry i Abrama.
Genesisy 42:5 - DIEM PROTESTANTA Dia tonga hividy vary tany Ejipta toy ny hafa ireo zanakalahin’i Jakôba, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanahàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tonga ny zanak’Israely mba hividy vary, niaraka tamin’ny olona izay nankany Ejipta, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia tonga hividy vary tany Ejipta toy ny hafa ireo zanakalahin’i Jakôba, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanahàna. Baiboly Katolika Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely, ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana. Baiboly Protestanta Malagasy Dia tonga ny Zanak’Isiraely mba hividy vary niaraka tamin’izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. Malagasy Bible Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. La Bible en Malgache Dia tonga ny zanak’Israely mba hividy vary, niaraka tamin’ny olona izay nankany Ejipta, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. |
Ary nisy mosary tao amin’ny tany; ka rehefa nihamafy izany, dia nidina tany Ejipta ry i Abrama.
Nisy mosary teo amin’ny tany, hafa noho izay niseho tamin’ny andron’i Abrahama; koa lasa i Itsehàka nankany amin’i Abimelèka mpanjakan’i Filistinina tao Gerara.
ary nanomboka kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa voalazan’i Jôsefa. Nihatra tamin’ny tany rehetra ny mosary; fa nanerana an’i Ejipta kosa nisy tahirim-bokatra.
Tonga tany Ejipta koa ireo avy any amin’ny tany hafa rehetra mba hividy vary amin’i Jôsefa, satria efa namely mafy ny mosary manerana ny tany.
Nisy mosary naharitra telo taona misesy tamin’ny andron’i Davida. Nanontany ny TOMPO momba izany i Davida ka novaliany hoe: –Avy amin’i Saoly sy ny fianakaviany lian-dra izao, satria i Saoly no namono nahafaty ny Gibehônita.
Isan’ireo i Hagabo izay notsilovin’ny Fanahy Masina ka nijoro nilaza fa hisy mosary be eran’ny tany tontolo. (Dia nitranga tokoa izany tamin’ny andron’i Klaody amperôra).
Tamin’izay dia nisy mosary nanerana an’i Ejipta sy i Kanahàna manontolo ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanin-kohanina ny razantsika.