Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 4:19 - DIEM PROTESTANTA

Nanambady anankiroa i Lamèka: ny voalohany dia natao hoe Hadà, ary ny faharoa nantsoina hoe Tsilà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Lameka dia nampirafy roa: Ada no anaran’ny iray ary Zila kosa ny iray.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanambady anankiroa i Lamèka: ny voalohany dia natao hoe Hadà, ary ny faharoa nantsoina hoe Tsilà.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nampirafy roa i Lameka; Adà no anaran’ny anankiray, ary Selà no anaran’ilay faharoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran’ny anankiray Ada, ary ny anaran’ny anankiray Zila.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Lameka dia nampirafy roa: Ada no anaran’ny iray ary Zila kosa ny iray.

Jereo ny toko



Genesisy 4:19
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Tsy tsara raha irery raolombelona, fa aoka hanaovako mpanampy sahaza azy izy.»


Izany no handaozan’ny lehilahy ny rainy sy ny reniny ka hifikirany amin’ny vadiny, ary hanjary tena iray ihany izy roa.


I Henôka no ray niteraka an’i Hirada; i Hirada no ray niteraka an’i Mehojaela; i Mehojaela no ray niteraka an’i Metosaela; ary i Metosaela kosa no ray niteraka an’i Lamèka.


I Hadà dia niteraka an’i Jabala: io no razamben’ireo mpitoetra an-day miaraka amin’ny biby fiompy.


Hoy i Lamèka tamin’ny vadiny: –Ry i Hadà sy i Tsilà ô, henoy aho! Ry vadin’i Lamèka, atongilano ny sofinareo amin’ny teniko: Namono nahafaty olona aho satria nokapohiny, ary namono nahafaty tovolahy aho satria noratrainy.


Ary nangalan’i Jôiadà vady roa i Jôasy, ka niteraka zazalahy sy zazavavy taminy.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Noho ianareo mafy fo no namelan’i Mosesy anareo hanary vady, fa tsy toy izany hatrany am-piandohana.