Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 4:12 - DIEM PROTESTANTA

Raha hamboly ny tany ianao, dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izy; ka dia ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa raha miasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izany ka ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha hamboly ny tany ianao, dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izy; ka dia ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Rehefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha miasa ny tany hianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany hianao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa raha miasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izany ka ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao.

Jereo ny toko



Genesisy 4:12
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia niteny tamin’ny TOMPO i Kaina hoe: –Mavesatra loatra ny heloko!


Indro roahinao hiala eo amin’ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!


ary ny tany lonaka ho tanin-tsira, noho ny faharatsian’ny mponina eo.


Ho mpirenireny mangataka anie ny zanany ary ho voaroaka lavitra ny fonenany rava!


Handositra hatrany am-pasana ny olona izay enjehin’ny eritreriny noho izy nahafaty olona: aoka tsy hisy hisakana azy!


Harian’ilay Andriamanitro izy satria tsy nihaino Azy, ka dia ho tonga mpirenireny any amin’ny hafa firenena any.


Simba ny saha, misaona ny tany fambolena; satria levona ny vary, maina ny voaloboka ary malazo ny ôliva.


Dia hohandriniko ianareo ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo; ireo mpankahala anareo no hanapaka anareo; ary handositra ianareo, na dia tsy misy mpanenjika aza.


Ho lany foana ny herinareo, fa tsy hahavokatra ny tany volenareo ary tsy hamoa ny hazo.


«Izay sisa velona aminareo, any amin’ny tanin’ny fahavalony any, dia hampidirako fahareraham-po ka na ny fipikan’ny ravinkazo anankiray paohin-drivotra aza dia hampandositra azy; handositra ireo toy ny mandositra fahavalo mitan-tsabatra, ary ho lavo ireo na dia tsy misy mpanenjika aza.


Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana:


Raha tsy ekenareo kosa ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy imasoanareo hotanterahina ny didy aman-dalànany rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia ho tonga sy hianjady aminareo ireto ozona rehetra ireto: