Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 4:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ankehitriny dia manozona anao ny tany izay misokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ankehitriny dia voaozona ianao ka hiala amin’ny tany fonenana izay nisokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ankehitriny dia manozona anao ny tany izay misokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary ankehitriny dia voaozona hianao hiala amin’ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran’ny rahalahinao nalatsaky ny tànanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ankehitriny dia voaozona ianao ka hiala amin’ny tany fonenana izay nisokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 4:11
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin’ny bibilava: –Satria nanao izany ianao, dia ozoniko. Amin’ny biby fiompy sy ny bibidia rehetra, dia ianao ihany no handeha amin’ny kibonao, sady hihinana vovo-tany amin’ny andro rehetra hiainanao.


Indro roahinao hiala eo amin’ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!


ary ny anarany nataony hoe Noà, fa hoy izy hoe: –Ity no hampionona anay amin’ny asa mafy sy ny fahasahirananay noho ny nanozonan’ny TOMPO ny tany.


Ry tany ô, miraraka ny rako ka aza rakofanao izany, fa aoka ho re hatraiza hatraiza ny fitarainako.


Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.


Fa izay rehetra miantehitra amin’ny fanatanterahana ny lalàna dia ianjadian’ny ozona, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna.»


Kanjo novonjen’ny tany ravehivavy, fa nitresaka ny tany ka nitelina ny riaka izay nalefan’ny vavan’ilay dràgona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra