ka niteny tamin’i Abrama hoe: –Indro efa tsy nanome zanaka ahy ny TOMPO. Koa mba mandehana re any amin’ny mpanompovaviko; angamba hanan-janaka avy aminy aho. Dia neken’i Abrama ny soso-kevitr’i Saray.
Genesisy 30:4 - DIEM PROTESTANTA Dia nomeny an’i Jakôba ny mpanompovaviny ho vadîny, ka dia nandry taminy izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nomeny azy i Bila mpanompovaviny ho vadiny dia novadin’i Jakoba koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nomeny an’i Jakôba ny mpanompovaviny ho vadîny, ka dia nandry taminy izy. Baiboly Katolika Dia nomeny ho vadiny i Balà ankizy vaviny, ka niray tamin’io i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin’i Jakoba koa izy. Malagasy Bible Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy. La Bible en Malgache Dia nomeny azy i Bila mpanompovaviny ho vadiny dia novadin’i Jakoba koa. |
ka niteny tamin’i Abrama hoe: –Indro efa tsy nanome zanaka ahy ny TOMPO. Koa mba mandehana re any amin’ny mpanompovaviko; angamba hanan-janaka avy aminy aho. Dia neken’i Abrama ny soso-kevitr’i Saray.
ka hoy i Sarà tamin’i Abrahama: –Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, satria tsy tokony handova miaraka amin’i Itsehàka zanako ny zanany.
Mbola nanana vadikely natao hoe Reomà i Nahôra ka niterahany an’i Teba sy i Gahama ary i Tahasa sy i Mahekà.
Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.
Nataony lohalalana ireo mpanompovavy sy ny zanany, dia nanaraka azy i Leà sy ireo zanany, ary tatỳ afara i Rahely sy i Jôsefa.
Fa raha mbola nipetraka tamin’izany faritany izany i Jakôba, dia lasa i Reobena nandry tamin’i Bilehà vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakôba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakôba;
Ireo fito lahy ireo no taranak’i Jakôba tamin’i Bilehà izay nomen’i Labàna ho mpanompovavin’i Rahely.
Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin’ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary.