Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 29:3 - DIEM PROTESTANTA

Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo no nangonina ny andian’ondry aman’osy rehetra, dia nakodia hiala amin’ny vavan’ny fantsakana ny vato ka nampisotroina ny ondry aman’osy; avy eo dia averina ho amin’ny toerany eo am-bavan’ny fantsakana indray ny vato.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tao no niangonan’ny biby fiompy rehetra. Akodia aloha ny vato avy eo ambonin’ny vava lavaka fantsakana, ka ampisotroina ny biby fiompy, dia averina amin’ny fitoerany eo am-bava lavaka fantsakana indray ny vato.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nangonina teo ny andian’ny ondry aman-osy rehetra, dia nakodian’ny olona ny vato hiala amin’ny vavan’ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman-osy; ary dia naveriny indray ny vato ho eo am-bavan’ny lavaka fantsakana ho amin’ny fitoerany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo no nangonina ny andian’ondry aman’osy rehetra, dia nakodia hiala amin’ny vavan’ny fantsakana ny vato ka nampisotroina ny ondry aman’osy; avy eo dia averina ho amin’ny toerany eo am-bavan’ny fantsakana indray ny vato.

Jereo ny toko



Genesisy 29:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.


Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.


Fa novalian’ireo hoe: –Tsy azonay atao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andiany rehetra; amin’izay dia hoesorina ny vato eo amin’ny vava fantsakana, ary hampisotro ny ondry aman’osy izahay.


Fa tonga ireo lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka ireto zazavavy; dia nitsangana i Mosesy ka namonjy ireto zazavavy sady nampisotro ny biby fiompy.


Zaridaina mifefy tsara hidy ianao, ry havako fofombadiko; zaridaina mifefy tsara hidy ianao sady loharano voaisy tombokase.


Teo akaikin’ny fampisotroan-drano, ireo mpizara rano ho an’ny biby fiompy no nankalaza ny fandresen’ny TOMPO, dia fandresena nomeny ireo lehiben’i Israely fony injay nirotsaka hiady teo am-bavahadin’ny tanàna ilay vahoakan’ny TOMPO.