Roapolo taona izao no efa niarahako taminao, nefa ny ondrivavinao aman’osivavinao tsy mba namotsotra; sady tsy mbola nihinana ondrilahy tamin’ny andian’ondrinao na oviana na oviana aho.
Genesisy 27:44 - DIEM PROTESTANTA Mitoera any aminy aloha mandritra ny fotoana vitsivitsy, mandra-pitony ny rahalahinao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitoera andro vitsivitsy any aminy mandra-pahafaka ny fahatezeran’ny rahalahinao; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mitoera any aminy aloha mandritra ny fotoana vitsivitsy, mandra-pitony ny rahalahinao. Baiboly Katolika ka mitoera any andro vitsivitsy mandra-pionon’ny hatezeran’ny rahalahinao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran’ny rahalahinao, Malagasy Bible Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao, La Bible en Malgache Mitoera andro vitsivitsy any aminy mandra-pahafaka ny fahatezeran’ny rahalahinao; |
Roapolo taona izao no efa niarahako taminao, nefa ny ondrivavinao aman’osivavinao tsy mba namotsotra; sady tsy mbola nihinana ondrilahy tamin’ny andian’ondrinao na oviana na oviana aho.
Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako.
Ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, vao manendry ny tany, dia mampihovotrovotra azy; misondrotra sy mietry ny tany manontolo tahaka an’i Neily, onin’i Ejipta; ary misaona ny maty ireo mponina rehetra ao aminy.