Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 27:2 - DIEM PROTESTANTA

Hitanao izao fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy izy: Indro, efa antitra aho ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hitanao izao fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia hoy i Isaaka: «Hitanao fa efa antitra aho izao; ary tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy izy: Indro, efa antitra aho ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko



Genesisy 27:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Izao ankehitriny izao, raiso ny fiadianao, dia ny tsipîkanao sy ny zana-tsipîkanao ka mandehana mihaza; ary ento ho ahy izay haza azonao,


Ary rehefa akaiky ny andro hahafatesan’i Jakôba, dia niantso an’i Jôsefa zanany izy ka nanao taminy hoe: –Raha tia ahy ianao, dia asehoy amiko ny fitiavanao sy ny toetranao mahafatra-po, aza alevina aty Ejipta aho. Mianiàna amiko ianao, ka ataovy ato ambany feko ny tananao.


Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.


Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao; fa izay hiseho anio aza tsy fantatrao akory.


Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.


Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany, zanakalahin’i Amôtsa, ary nilaza taminy ny tenin’ny TOMPO hoe: «Ataovy ny fara hafatrao amin’ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.»


ary nanao hoe: «TOMPO ô, mba tsarovy fa nandeha tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao!» Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.


Koa miambena àry fa tsy fantatrareo ny fotoana hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina.


Tsy fantatrareo izay hanjo ny ainareo rahampitso! Toy ny etona kely miserana vetivety ianareo, avy eo dia manjavona.


Mbola nikiry nanao izao fianianana izao i Davida hoe: –Fantatry ny rainao tsara ny halehiben’ny fitiavanao ahy, ka hoy izy anakampony: «Aoka tsy ho fantatr’i Jônatàna izany fandrao hampalahelo azy.» Nefa velona ny TOMPO ary velona koa ny ainao, ka sahiko lazaina fa indray mandingana sisa no manelanelana ahy sy ny fahafatesana.