Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 47:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Ary rehefa akaiky ny andro hahafatesan’i Jakôba, dia niantso an’i Jôsefa zanany izy ka nanao taminy hoe: –Raha tia ahy ianao, dia asehoy amiko ny fitiavanao sy ny toetranao mahafatra-po, aza alevina aty Ejipta aho. Mianiàna amiko ianao, ka ataovy ato ambany feko ny tananao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Rehefa antomotra ny andro hahafatesan’Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy ka niteny taminy hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonao aho dia miangavy anao: Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao ka ataovy amiko izay soa sy izay marina! Miangavy anao aho: Aza alevina atỳ Ejipta aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Ary rehefa akaiky ny andro hahafatesan’i Jakôba, dia niantso an’i Jôsefa zanany izy ka nanao taminy hoe: –Raha tia ahy ianao, dia asehoy amiko ny fitiavanao sy ny toetranao mahafatra-po, aza alevina aty Ejipta aho. Mianiàna amiko ianao, ka ataovy ato ambany feko ny tananao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Nony efa akaiky ny fara andron’i Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho masìna ianao, ataovy ato ambany feko ny tananao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina aty Ejipta aho,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’Isiraely, dia nampaka an’i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna hianao, ataovy ato ambanin’ny feko ny tànanao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna hianao aza alevina atỳ Egypta aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:29
28 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia hoy i Abrahama tamin’ilay mpanompony tranainy indrindra tao an-tranony, izay mpifehy ny fananany rehetra: –Apetraho ato ambany feko ny tananao,


Koa ankehitriny lazao ahy raha vonona haneho fitia sy firaiketam-po amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa dia handeha ho any an-kafa aho.


Hitanao izao fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.


Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany.


Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron’ireo razako tamin’ny fotoana nivahiniany.


Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.


Avy eo dia notanterahin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay nanafaran-drainy azy.


«Alohan’ny nahafatesan-draiko, dia nampianiana ahy izy mba handevina azy any amin’ny fasana izay efa nomaniny any Kanahàna. Koa ankehitriny aoka aho mba hiakatra handevina ny raiko; rehefa izany dia hiverina indray aho.»


Eny, tsy maintsy ho faty isika rehetra, ka ho tahaka ny rano raraka an-tany tsy azo raofina intsony. Saingy tsy mbola izany no irîn’Andriamanitra ho an’i Absalôma izao; ny heveriny kosa dia mba tsy ho lavitra Azy ilay voaroaka.


Nentina ny fatin’i Asahela ka nalevina tao amin’ny fasan-drainy tao Betlehema. Ary i Jôaba sy ny olony nanao lava alina, dia tonga tany Hebrôna tamin’ny mazava ratsy.


Ary rehefa ho tapitra ny andronao ka hodimandry any amin’ireo razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ka haoriko mafy ny fanjakany.


Rehefa nandindona an’i Davida ny andro hahafatesany, dia nandidy an’i Salômôna zanany lahy izy nanao hoe:


Nefa moa ho velona indray va ny olona maty? Raha izany dia ho niandry isan’andro aho mandritra ny fotoana manontolo fanompoako, mandra-pahatonga ny famotsorana ahy.


Eny, fantatro fa hoentinao any amin’ny fahafatesana aho, dia any amin’ilay fonenana ifamotoanan’ny olombelona rehetra.


Mafy tahaka ny asa fanompoana ny fiainan’ny olombelona eto an-tany; ary toy ny andron’ny mpikarama no mahamàzana ny androny.


izay mitoky amin’ny hareny miavosa sy mirehareha amin’ny fananam-beny?


satria lafo loatra ny avotra aina, tsy ho voaloa na oviana na oviana


TOMPO ô, miverena hanafaka ahy, vonjeo aho noho ny fitiavanao.


Tsarovy fa fohy loatra ny fiainako! Toa zava-poana dia zava-poana no naharianao anay olombelona.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin’ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana izay nataoko taminy.


Finoana no nilazan’i Jôsefa teo amin’ny faramparan’ny fiainany fa hiala tany Ejipta ny Israelita ary koa nanafatrafarany momba ny taolambalony.


Tendry ho an’ny olona tokoa ny ho faty indray mandeha, ary avy eo dia hotsarain’Andriamanitra izy;


Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Raha tàhiny tsy ambaranao olona izao fandalovanay mpisafo tany izao, dia hamindra fo sy hanao izay hitsiny aminao izahay, rehefa homen’ny TOMPO anay ity tany ity. Raha tsy izany no ataonay aminareo mianakavy, dia aoka ny ainay no ho faty hisolo ny anareo.


Indro ankehitriny efa ho faty tsy ho ela aho. Koa aoka ho fantatrareo amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo fa tsy nisy latsaka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo; tanteraka taminareo avokoa izy rehetra fa tsy nisy latsaka mihitsy na iray aza.


Velona ny TOMPO ka milaza marina aminao aho fa ny TOMPO irery ihany no hanapitra ny androny, na amin’ny fahafatesana tsotra izany, na vokatry ny ady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra