Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.
Genesisy 27:13 - DIEM PROTESTANTA Namaly azy kosa ny reniny hoe: –Aoka ho ahy ny ozona, anaka; fa araho ny teniko ka mandehana akao ireo zanak’osy ireo aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy reniny taminy: Aoka ho amiko, anaka, ny ozona tokony ho anao, fa araho ihany ny teniko ka mandehana, ento atỳ amiko ny zanak’osy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namaly azy kosa ny reniny hoe: –Aoka ho ahy ny ozona, anaka; fa araho ny teniko ka mandehana akao ireo zanak’osy ireo aho. Baiboly Katolika Hoy reniny taminy: «Aoka hihatra amiko ny fanozonana anao, anaka. Fa araho ihany ny teniko: mandehana, angalao zanak’osy roa aho.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho. Malagasy Bible Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho. La Bible en Malgache Hoy reniny taminy: Aoka ho amiko, anaka, ny ozona tokony ho anao, fa araho ihany ny teniko ka mandehana, ento atỳ amiko ny zanak’osy. |
Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.
Fa namaly indray i Jakôba hoe: –Mianiàna amiko àry ianao izao anio izao. Dia nianiana taminy izy ka nivarotra tamin’i Jakôba ny fizokiany.
Dia nandeha i Jakôba naka ireo zanak’osy ka nitondra azy tany amin-dreniny, dia nanamboaran-dreniny hanim-py araka ilay tian’i Itsehàka.
Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.
Izaho no hiantoka azy ka azonao takîna amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho.
Hoy kosa ilay vehivavy avy any Tekôa taminy: –Ry andriamanjaka ô, aoka ho ahy sy ho an’ny fianakavian-draiko ny fahadisoana fa tsy manan-tsiny akory ianao sy ny sezafiandriananao.
Nanaraka ny toetran’ireo taranak’i Ahaba koa i Ahazià, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy.
Dia izao no navalin’ny vahoaka rehetra: –Aoka ho zakainay sy ny taranakay ny fahafatesany!
ary niantoraka teo an-tongony sady nanao hoe: –Aoka, tompoko, ho ahy dia ho ahy ny fahadisoana! Fa mba avelao aho mpanomponao hiteny kely aminao, koa henoy izay holazaiko.