Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 26:8 - DIEM PROTESTANTA

Ary rehefa ela no nitoeran’i Itsehàka tao, dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimelèka indray andro ka nahita an’i Itsehàka nisangisangy an’i Rebekà vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nitoetra ela teo izy dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, ka nahita fa indro, nisangy tamin’i Rebeka vadiny Isaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary rehefa ela no nitoeran’i Itsehàka tao, dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimelèka indray andro ka nahita an’i Itsehàka nisangisangy an’i Rebekà vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony ela no nitoerany tao Jerara, sendra nitazana teo am-baravarankely kosa i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina. Ka indro i Isaaka hitany nisangy tamin-dRebekà vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nitoetra ela teo izy dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, ka nahita fa indro, nisangy tamin’i Rebeka vadiny Isaka.

Jereo ny toko



Genesisy 26:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin’izany toerana izany, fa novaliany hoe: «Anabaviko izy.» Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin’ny olona tamin’izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin’i Rebekà fa tsara tarehy loatra ravehivavy.


Nampanantsoin’i Abimelèka i Itsehàka ka nilazany hoe: –Hay tena vadinao tokoa izy, koa nahoana no nolazainao hoe anabavinao? Hoy kosa ny navalin’i Itsehàka azy: –Nilaza izany aho fandrao vonoina ho faty noho ny aminy.


Raha teo am-baravarankelin’ny tranoko aho no mba nitazantazana indray andro,


Ankamamio ny miaina miaraka amin’ilay vady malalanao mandritra ny andro mihelina rehetra omen’Andriamanitra hiainanao etỳ ambonin’ny tany. Fa izany no anjaranao amin’izao fiainana izao sy amin’ny fisasaranao etỳ.


Ny malalako dia mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora; indro izy fa mijanona ao alatranonay, ka manarangarana eo am-baravarankely, zary mitsikilo eo amin’ny makarakara.


Tahaka ny tovolahy mampakatra virijiny ho vady, dia hampakatra anao toy izany koa ilay Mpanorina anao, ry Jerosalema; ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny tovovavy ampakariny no hifalian’ilay Andriamanitrao aminao.


Nitazana teo am-baravarankely ny renin’i Siserà, teo anelanelan’ny makarakara izy no nitaraina hoe: «Nahoana àry no mbola tsy tonga ihany ny kalesiny? Nahoana àry no mitaredretra any ny kalesiny?»