Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Genesisy 26:29 - DIEM PROTESTANTA Mianiàna àry aminay fa tsy hanisy ratsy anay ianao tahaka ny tsy nampijalianay anao. Tsy nisy afa-tsy ny soa no nataonay taminao ka nalefanay ombàm-piadanana ianao, izay efa notahîn’ny TOMPO ankehitriny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nikasihanay anao akory sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, satria navelanay handeha soa amantsara ianao. Efa notahin’NY TOMPO ianao ankehitriny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mianiàna àry aminay fa tsy hanisy ratsy anay ianao tahaka ny tsy nampijalianay anao. Tsy nisy afa-tsy ny soa no nataonay taminao ka nalefanay ombàm-piadanana ianao, izay efa notahîn’ny TOMPO ankehitriny. Baiboly Katolika Aoka hianiana ianao fa tsy hanisy ratsy anay, araka ny tsy nikasihanay anao akory, na nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Ary ianao izao no ilay hasoavin’i Iaveh.› » Baiboly Protestanta Malagasy fa tsy hanisy ratsy anay hianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara hianao. Fa hianao ankehitriny efa notahin’i Jehovah. Malagasy Bible fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah. La Bible en Malgache fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nikasihanay anao akory sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, satria navelanay handeha soa amantsara ianao. Efa notahin’NY TOMPO ianao ankehitriny. |
Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.
Tamin’izany fotoana izany dia nankany amin’i Abrahama i Abimelèka, niaraka tamin’i Pikôla lehiben’ny tafiny, ka nanao taminy hoe: –Homba anao anie Andriamanitra amin’izay rehetra hataonao.
fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.
no nitenenany hoe: –Mandrosoa ao an-trano, ry ilay notahîn’ny TOMPO. Nahoana ianao no mijanona etỳ ivelany? Izaho anie efa nanomana ny trano sy namboatra toerana ho an’ny rameva e!