Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.
Genesisy 26:25 - DIEM PROTESTANTA Nanorina alitara teo i Itsehàka ka nivavaka tamin’Andriamanitra sady niantso Azy hoe TOMPO. Namelatra ny lainy izy ary nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanorina alitara teo izy ary niantso ny anaran’NY TOMPO sady nanorina ny tranolainy teo koa; dia nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon’Isaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanorina alitara teo i Itsehàka ka nivavaka tamin’Andriamanitra sady niantso Azy hoe TOMPO. Namelatra ny lainy izy ary nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompony. Baiboly Katolika Dia nanangana ôtely teo i Isaaka, ka niantso ny anaran’i Iaveh. Ary niorin-day teo izy, ka nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran’i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon’Isaka. Malagasy Bible Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka. La Bible en Malgache Dia nanorina alitara teo izy ary niantso ny anaran’NY TOMPO sady nanorina ny tranolainy teo koa; dia nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon’Isaka. |
Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.
Ka dia tamin’ilay toerana nanorenan’i Abrama alitara voalohany no nivavahany sady niantsoany an’Andriamanitra hoe TOMPO.
Rehefa tonga teo amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin’ny alitara, teo ambony kitay.
Androtr’iny ihany dia tonga ireo mpanompon’i Itsehàka nanambara taminy ny vaovao momba ny fantsakana izay nolavahany ka nilaza hoe: –Nahita rano izahay.
Dia nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Ela-Elôhe-Israely ny anaran’ilay alitara.
Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: –Miaingà, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an’ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an’i Hesao rahalahinao.
Ary i Seta kosa niteraka lahy nantsoiny hoe Enôsa. Hatreo vao nivavaka tamin’Andriamanitra ny olona ka niantso Azy hoe TOMPO.
Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.