Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 22:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Rehefa tonga teo amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin’ny alitara, teo ambony kitay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Rehefa tonga teo amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy izy mianaka dia nanorina ny alitara teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’Isaka zanany izy ka nametraka azy teo amin’ny alitara teo ambonin’ny kitay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Rehefa tonga teo amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin’ny alitara, teo ambony kitay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany, ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary rehefa tonga teo amin’ny tany izay efa nolazain’Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an’Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ny alitara teo ambonin’ny kitay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Rehefa tonga teo amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy izy mianaka dia nanorina ny alitara teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’Isaka zanany izy ka nametraka azy teo amin’ny alitara teo ambonin’ny kitay.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 22:9
23 Rohy Ifampitohizana  

Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.


Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.


Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.


Ary naninji-tanana handray ny antsy i Abrahama mba hamonoana ny zanany.


Fa namaly azy i Abrahama hoe: –Andriamanitra no hahita izay zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka! Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka.


Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.


Ary nalahany teo ambony alitara ny kitay, dia norasainy ny omby ka napetrany teo ambonin’ny kitay.


Ny TOMPO no Andriamanitra, ka hanazava antsika anie Izy! Milahara mitana sampan-drofia, ka manatòna ny zoron’ny alitara.


Dia nampamatotra Azy ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato governora rômanina.


Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin’ny loholona sy ny mpahay lalàna, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an’i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato.


Izao kosa no andalan’ny Soratra Masina vinakin’ilay tandapa: «Toy ny ondry nentina hovonoina Izy, ary toy ny zanak’ondry moana manoloana ny mpanety azy: tsy niloa-bava akory!


I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»


Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.


toy izany koa i Kristy: voatolotra ho sorona indray mandeha monja Izy, mba hanesorana ny otan’ny besinimaro. Hiseho fanindroany Izy, kanefa tsy hanaisotra ota intsony amin’izay fa hamonjy an’ireo miandry Azy.


Ahoana moa no nahazoan’i Abrahama razantsika ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra? Noho ny asa nataon’i Abrahama, fony izy nanolotra an’i Itsehàka zanany lahy teo ambonin’ny alitara.


ny tenan’i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin’ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra