Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 26:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Nisehoan’ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: –Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin’i Abrahama mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ary NY TOMPO niseho taminy tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao; aza matahotra fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Nisehoan’ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: –Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin’i Abrahama mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Ary niseho taminy i Iaveh ny alin’izay ka nanao hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, rainao, aza matahotra fa momba anao aho; ka hanisy soa anao ka hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary Jehovah niseho taminy tamin’iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Ary NY TOMPO niseho taminy tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao; aza matahotra fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 26:24
41 Rohy Ifampitohizana  

Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.


Taorian’ireo zavatra ireo, dia niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.


Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.


Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho.


Nefa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza; koa niantso an’i Hagara avy any an-danitra ny anjelin’Andriamanitra nanao taminy hoe: –Inona no mahazo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza eo amin’ny toerany eo.


fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.


Dia niverina nankeny amin’ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama.


Izao no vavaka nataony: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, mba ambino aho anio, ka manehoa fahasoavana amin’i Abrahama tompoko.


Ary niseho teo anoloan’i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: –Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.


Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin’izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin’ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.


Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben’ny firenena maro


Namaly azy i Labàna hoe: –Miangavy aho raha mba mahita famindrampo aminao ihany. Fantatro fa noho ny aminao no nitahian’ny TOMPO ahy.


ka nilaza tamin’izy mirahavavy hoe: –Hitako nisoritra teny amin’ny endriky ny rainareo fa tsy tahaka ny teo aloha intsony ny fifandraisany amiko, kanefa ilay Andriamanitry ny raiko efa nanambina ahy.


Ary ny TOMPO nomba an’i Jôsefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon’ilay Ejiptianina tompony izy;


ary hitan’ity tompony fa nombàn’ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.


Niainga i Jakôba sy izay rehetra azy ka tonga tao Beera-Seba; dia nanao sorona teo izy ho an’ilay Andriamanitr’i Itsehàka rainy.


Fa hoy i Elià taminy: –Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento atỳ amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an’ny zanakao lahy.


Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.


Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra.


Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Izaho TOMPO izay mpanao anao, ka namorona anao hatrany am-bohòka sy manampy anao no indro milaza aminao hoe: Aza matahotra, ry firenen’i Jakôba mpanompoko ilay Jesoròna izay nofidiko.


Izaho, eny, Izaho ihany no mampahery anao, hoy ny TOMPO. Ka inona no atahoranao ny olona mety maty, dia ny zanak’olombelona izay mihelina toy ny ahitra?


Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny, ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako; aza matahotra izay fanaratsian’ny olona na milefitra amin’ny fanalam-baràka ataony,


Nanatona Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao, ka nanao tamiko hoe: «Aza matahotra!»


Amin’izay no hahatsiarovako ny fanekempihavanako tamin-dry i Jakôba sy i Itsehàka ary i Abrahama razambeny sady hahatsiarovako ny fampanantenana momba ilay taniny.


Eny, hotsarovako hanasoavana azy ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny razany, izay navoakako hiala tany Ejipta teo imason’ny firenen-kafa mba hahatonga Ahy ho Andriamaniny. Izaho no TOMPO.»


«Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba»? Tsy Andriamanitry ny maty Izy fa Andriamanitry ny velona.


–Aza matahotra, ry andian’ondry vitsy, fa efa sitraky ny Ray homena anareo ny Fanjakany!


«Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba!» Tora-kovitra i Mosesy ka tsy sahy nandinika.


angony eo afovoan’ny kianja ny entana rehetra voababo, ka dory avokoa na ny tanàna sy ireo entana ireo mba hafoy ho an’ny TOMPO Andriamanitra; dia ho tanàna aolo lalandava izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.


Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na manahy an’ireo firenena ireo, satria ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo ary tsy handao anareo na hahafoy anareo.


saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an’Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr’izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.


Ka dia sahintsika ny manao hoe: «Ny Tompo no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona no ho azon’olona atao amiko?»


Vao nahita ny Zanak’olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: –Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,


Koa ankehitriny, aza matahotra ianao, fa izay rehetra lazainao dia hataoko ho anao satria fantatry ny olona rehetra eto an-tanàna, fa vehivavy mendri-kaja ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra