Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.
Genesisy 21:3 - DIEM PROTESTANTA Nataon’i Abrahama hoe Itsehàka ny anaran’ilay zazalahy naterak’i Sarà ho azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny anaran’ny zanany vao teraka, ilay naterak’i Saraha taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nataon’i Abrahama hoe Itsehàka ny anaran’ilay zazalahy naterak’i Sarà ho azy. Baiboly Katolika Ary ny anaran’ilay zaza teraka taminy, naterak’i Sarà taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anaran’ny zanany izay teraka, ilay naterak’i Saraha taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaka. Malagasy Bible Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka. La Bible en Malgache Ary ny anaran’ny zanany vao teraka, ilay naterak’i Saraha taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaka. |
Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.
Fa ny fanekempihavanako kosa dia haoriko amin’i Itsehàka, izay haterak’i Sarà ho anao amin’ny herintaona toy izao.
Nefa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Aza malahelo ny amin’ny zazalahy sy ny mpanompovavinao, fa ekeo izay rehetra nolazain’i Sarà taminao; amin’ny alalan’i Itsehàka manko no hisian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
Dia nilaza i Sarà hoe: –Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an’i Itsehàka dia hihomehy miaraka amiko.
Dia hoy Andriamanitra hoe: –Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.
I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka, i Itsehàka, ray niteraka an’i Jakôba; i Jakôba, ray niteraka an’i Joda mirahalahy avy.
Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.
ary tsy izay rehetra zanak’i Abrahama no tena taranany, fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe: «Avy amin’i Itsehàka no hiantsoana taranaka ho anao!»
Fa Izaho no naka an’i Abrahama razambenareo avy tany am-pitan’ny ony Eofrata ary nitondra azy namakivaky ny tany Kanahàna manontolo sady nampahamaro ny taranany. Nomeko ho zanakalahin’i Abrahama i Itsehàka,