Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 21:12 - DIEM PROTESTANTA

Nefa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Aza malahelo ny amin’ny zazalahy sy ny mpanompovavinao, fa ekeo izay rehetra nolazain’i Sarà taminao; amin’ny alalan’i Itsehàka manko no hisian’ny taranaka hitondra ny anaranao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Aza atao mahatezitra anao ny amin’ny zaza sy ny mpanompovavinao. Fa na inona lazain’i Saraha aminao na inona dia ekeo ny teniny; fa avy amin’Isaka no hisy taranaka hantsoina amin’ny anaranao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nefa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Aza malahelo ny amin’ny zazalahy sy ny mpanompovavinao, fa ekeo izay rehetra nolazain’i Sarà taminao; amin’ny alalan’i Itsehàka manko no hisian’ny taranaka hitondra ny anaranao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Aza atao mampalahelo anao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin’i Sarà ekeo avokoa, satria avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranaka hitondra ny anaranao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Aza atao mahatezitra anao ny amin’ny zaza sy ny mpanompovavinao. Fa na inona lazain’i Saraha aminao na inona dia ekeo ny teniny; fa avy amin’Isaka no hisy taranaka hantsoina amin’ny anaranao.

Jereo ny toko



Genesisy 21:12
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.


Fa ny fanekempihavanako kosa dia haoriko amin’i Itsehàka, izay haterak’i Sarà ho anao amin’ny herintaona toy izao.


Efa hatrany am-piandohana no nilazako ny zavatra hitranga atỳ aoriana; ary efa hatry ny ela be no nilazako ny zavatra tsy mbola niseho. Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko, dia ho tanteraka hatrany; ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»


Saingy inona no lazain’ny Soratra Masina? Izao: «Roahy io vehivavy mpanompo io sy ny zanany, fa ny zanaky ny vehivavy mpanompo dia tsy hiray lova amin’ny zanaky ny vehivavy tsy mpanompo.»


sy nilazany hoe: «Avy amin’i Itsehàka no hiantsoana taranaka ho anao.»


Nefa hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Ekeo ny fangatahan’ny vahoaka amin’izay rehetra lazainy aminao; satria tsy ianao akory no laviny, fa Izaho mihitsy no tsy tiany ho mpanjakany intsony.


Noho izany, dia ekeo ihany ny fangatahany; kanefa aza misoron-teny aminy ianao fa atoroy azy ny zon’izay ho mpanjakany.