Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 2:25 - DIEM PROTESTANTA

Ary nitanjaka ny lehilahy sy ny vadiny nefa tsy nahalala henatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nitanjaka izy mivady, dia Ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nitanjaka ny lehilahy sy ny vadiny nefa tsy nahalala henatra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahamenatra azy izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nitanjaka izy mivady, dia Ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy ireo.

Jereo ny toko



Genesisy 2:25
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin’aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy.


Izay rehetra miantehitra aminao dia tsy mba ho diso fanantenana; fa ireo mivadika aminao no ho menatra, ka enga anie hitondra tanam-polo mody!


Jereo amin-kamorampo izaho mpanomponao, ka vonjeo satria be fitiavana Ianao.


Tsapan’i Mosesy tamin’izay fa navelan’i Aharôna hanao izay tiany hatao ny vahoaka, sady navelany hataon’ny fahavalony ho fihomehezana.


Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy: Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy, kanefa vavolombelona tsy mahita akory, ary tsy mahalala na inona na inona ka handiso fanantenana azy.


Aoka hiseho ny fitanjahanao ary ho hita izay mahamenatra anao. Hanao valifaty tokoa Aho ka tsy misy mahasakana Ahy,


Aza matahotra satria tsy ho menatra intsony ianao; aza mivoara mena fa tsy ho afa-baràka intsony ianao; eny, hohadinonao ny henatra tamin’ny fahatanoranao, ary tsy hotsarovanao intsony ny fahafaham-baràka tamin’ny naha mpitondratena anao.


Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona ô.


Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia anisan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, no hitrosenany amin’ny tany.


Hahatsiaro ny fitondrantenanao ianao ka ho menatra rehefa mahita indray ireo zokinao vavy sy zandrinao vavy; fa hatolotro anao ho toy ny zanakavavy ireo na dia tsy anisan’ny zavatra nanaovako fanekempihavanana taminareo aza izany.


Hihinan-ko voky ianareo ka hidera Ahy TOMPO Andriamanitrareo, Izay nanao zava-mahagaga taminareo. Ary ny vahoakako, na oviana na oviana, dia tsy ho menatra intsony.


Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.


Na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa ho avy ombàn’ny voninahiny, dia ny voninahitra ananan’ny Ray sy ananan’ny anjely masina.


Fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay.»