Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 8:38 - DIEM PROTESTANTA

38 Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona, rehefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

38 Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

38 Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa avy, amin’ny voninahitry ny Rainy Izy, otronin’ny Anjely masina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 8:38
44 Rohy Ifampitohizana  

Ony afo no nipoitra sy nikoriana avy teo anatrehany. An-tapitrisa ireo nanompo azy ary an-jato tapitrisa no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ireo mpitsara ary nosokafana ny boky.


«Dia mbola nijery ny fahitana azoko tamin’ny alina ihany aho, ka indro nisy tahaka ny zanak’olona tonga teny amin’ny rahon’ny lanitra; ary nankeo amin’ilay Antidahy izy sady nampanakaikezina azy.


Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ratsy fanahy sady mivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany.


Hirahin’ny Zanak’olona ny anjeliny; ary ny anjely no hanaisotra tsy ho eo amin’ny Fanjakan’ny Zanak’olona izay rehetra mpitaona ny hafa hanota sy izay mpanao ratsy,


Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.


Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.


Ratsy fanahy sady mpivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany! Dia nandao azy ireo i Jesoa ka lasa nandeha.


Amin’izay dia hiseho eny amin’ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak’olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak’olona tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.


–Rehefa ho avy amin’ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak’olona sady hotronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany mamirapiratra.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Anao izany teny izany! Kanefa ambarako aminareo fa tsy ho ela intsony dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny fosa manan-davaka ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra!


Amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra;


Ka novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no Izy, ary «ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery» ary koa «tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.»


Ary inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny ainy?


Fa novaliany hoe: «Lazaiko aminareo fa izay rehetra manana no homena hatrany; ary izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy.


Na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa ho avy ombàn’ny voninahiny, dia ny voninahitra ananan’ny Ray sy ananan’ny anjely masina.


Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.


Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!


Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: –Efa renay tamin’ny bokin’ny lalàna fa maharitra mandrakizay ny Mesia; ka ahoana no ilazanao hoe: tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?


Ary nomen’ny Ray fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona.


Dia hoy izy telo lahy: –Iraky ny kapiteny Kôrnely izahay. Izy dia lehilahy tia rariny sady mpanaja an’Andriamanitra no tsara laza amin’ny Jiosy rehetra. Notoroan’ny anjely masina hevitra izy mba hampaka anao ho any an-tranony ary hihaino izay zavatra hambaranao aminy.


Koa tamin-kafaliana no nialan’ny apôstôly teo amin’ny Fitsarana ambony, satria nataon’Andriamanitra mendrika halaim-baràka ho voninahitr’i Jesoa.


Fa tsy menatra ny Vaovao Mahafaly aho, satria io no herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.


Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa tamin’ny alalan’ny hazofijaliany no efa maty izao tontolo izao raha ny amiko, ary izaho kosa efa maty raha ny amin’izao tontolo izao.


Tonga avy tany Sinay ny TOMPO, avy tany Sehîra no nisehoany tamin’ny vahoakany, avy tao an-tendrombohitra Paràna no namirapiratany. Otronin’ny anjely alinkisa no nahatongavany; avy teo amin’ny tanan-kavanany no nanjelanjelatra ny lalàna.


Satria tsy iza fa ianareo ihany no fanantenanay sy hafalianay ary satroboninahi-pandresena hireharehanay eo anatrehan’i Jesoa Tompontsika, amin’ny andro hiaviany.


Dia hampiorina ny fonareo Izy, ka tsy hanan-tsiny sy ho masina eo anatrehan’ilay Andriamanitra Raintsika ianareo, amin’ny andro hiavian’i Jesoa Tompontsika otronin’izay rehetra voatokana ho Azy.


ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.


Ny Tompo anie hamindra fo amin’ny ankohonan’i Ônesifôro fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadràko!


Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly, araka ny hery omen’Andriamanitra anao.


saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an’Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr’izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.


Nataony fa ny miaritra fanaratsiana noho ny amin’ny Mesia dia harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta, fa nibanjina ny valisoa mbola ho avy izy.


Aoka àry isika hivoaka ny toby hankeo amin’i Jesoa, ka hiara-mizaka aminy ny fandatsana nozakainy.


Olona mivadika amin’Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra.


Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.


Eny, rey anaka, tomoera ao anatin’i Kristy ianareo mba hananantsika toky rahatrizay hiseho Izy ary mba tsy ho voaroaka lavitra Azy isika amin’ny andro hiaviany ka ho afa-baràka.


dia izy koa no hisotro ny divain’ny haviniran’Andriamanitra, divay izay efa naidina tsy misy fangarony ao anatin’ny tsatokaty fisotroana ny hatezeran’Andriamanitra; sady hampijalîna amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanakondry izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra