Genesisy 2:11 - DIEM PROTESTANTA I Pisôna no anaran’ny sampan-drano voalohany; io no manodidina ny tany Havilà manontolo izay misy ny volamena, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny anaran’ny voalohany dia Pisona; io no mandeha mihodidina ny tany Havila manontolo, izay misy volamena; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Pisôna no anaran’ny sampan-drano voalohany; io no manodidina ny tany Havilà manontolo izay misy ny volamena, Baiboly Katolika Fisôna no anaran’ny voalohany; io no mandeha manodidina ny tany Hevilaty rehetra, izay misy ny volamena. Baiboly Protestanta Malagasy Ny anaran’ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; Malagasy Bible Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; La Bible en Malgache Ny anaran’ny voalohany dia Pisona; io no mandeha mihodidina ny tany Havila manontolo, izay misy volamena; |
Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna.
ary tsara ny volamena tamin’io tany io; tao koa ny ditin-kazo mani-pofona sy ny vatosoa.
Ny nipetrahan’ny taranak’i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havilà ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin’i Ejipta tamin’iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin’ireo taranak’i Abrahama hafa no nitoerany.
Ary i Saoly nandresy ny Hamalekita nanomboka teo Havilà ka hatrany Sòra, atsinanan’i Ejipta.