Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 19:4 - DIEM PROTESTANTA

Fa raha tsy mbola nandry akory ireo, dia efa voahodidin’ny lehilahy tao an-tanànan’i Sôdôma ny trano; teo avokoa na ny antitra na ny tanora, tsy nisy avakavaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha tsy mbola natory anefa izy ireo dia tonga nanodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna, ny lehilahin’i Sodoma, na ny tanora na ny antitra, izany hoe ny vahoaka rehetra tao an-tanàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha tsy mbola nandry akory ireo, dia efa voahodidin’ny lehilahy tao an-tanànan’i Sôdôma ny trano; teo avokoa na ny antitra na ny tanora, tsy nisy avakavaka.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Mbola tsy nandry akory izy ireo, dia nanodidina ny trano ny lehilahy tao an-tanàna, dia ny lehilahy tao Sôdôma, hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny antitra, ny vahoaka rehetra avy amin’ny tanàna manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin’ny tanora ka hatramin’ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha tsy mbola natory anefa izy ireo dia tonga nanodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna, ny lehilahin’i Sodoma, na ny tanora na ny antitra, izany hoe ny vahoaka rehetra tao an-tanàna.

Jereo ny toko



Genesisy 19:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny mponina tao Sôdôma dia tena ratsy toetra sady nanota mafy tamin’ny TOMPO.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Abrahama: –Betsaka ny fitarainana momba an’i Sôdôma sy i Gômôra; ary mavesatra loatra ny fahotany.


Nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Aharôna tany an-taniefitra ny fiangonana Israelita tsivakivolo,


Aza manaiky hotarihin’ny maro hanao ratsy; aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny rariny eo amin’ny fitsarana.


Tsy matory ireny raha tsy efa nanao ratsy ary tsy mahita tory raha tsy efa nanafintohina olona.


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,


«Mailaka erỳ izy raha ndeha handatsaka aina,


Fa raha mbola nampifaly fo teo am-pihinana izy, dia nisy lehilahy faikan’olona tao an-tanàna nanodidina ny trano sy nandondòna mafy tao am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: –Avoahy iny lehilahy nampiantranoinao ato aminao iny mba hanaovanay firaisana.