Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 19:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Fa raha mbola nampifaly fo teo am-pihinana izy, dia nisy lehilahy faikan’olona tao an-tanàna nanodidina ny trano sy nandondòna mafy tao am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: –Avoahy iny lehilahy nampiantranoinao ato aminao iny mba hanaovanay firaisana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Raha mbola nampifaly ny fony izy dia indreo, nisy lehilahy tao an-tanàna, izay lehilahy tena ratsy fanahy, tonga nanodidina ny trano ka nandondòna mafy teo am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao mba hahalalanay azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Fa raha mbola nampifaly fo teo am-pihinana izy, dia nisy lehilahy faikan’olona tao an-tanàna nanodidina ny trano sy nandondòna mafy tao am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: –Avoahy iny lehilahy nampiantranoinao ato aminao iny mba hanaovanay firaisana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Dieny mbola nifaly teo ny fon’izy ireo, dia indreo nisy lehilahy tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, nanodidina ny trano, nandondòna mafy ny varavarana, sady nilaza tamin’ilay anti-dahy tompon-trano nanao hoe: «Asaovy mivoaka ilay lehilahy niditra ato aminao, mba hahalalanay azy».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandòndòna mafy ny varavarana ary niteny tamin’ilay lehilahy anti-panahy tompon-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Raha mbola nampifaly ny fony izy dia indreo, nisy lehilahy tao an-tanàna, izay lehilahy tena ratsy fanahy, tonga nanodidina ny trano ka nandondòna mafy teo am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao mba hahalalanay azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 19:22
19 Rohy Ifampitohizana  

Mifanatrika aminy eo kosa dia asio roa lahy mba hiampanga lainga azy ho nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Ary ento any ivelan’ny tanàna izy ka torahy vato ho faty».


I Samaria any avaratra mbamin’ireo zana-bohiny no zokinao vavy, ary i Sôdôma ao atsimo mbamin’ireo zana-bohiny no zandrinao vavy.


Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?


Nihoa-pampana ny faharatsianareo toy ny fahiny tany Gibehà. Nefa hotsaroan’ny Tompo ny helokareo, ary hoteteziny tsirairay ny fahotanareo.


Tsy fantatrareo ve fa tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra ny mpanao ratsy. Aza mety hofitahina ianareo! Fa na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ny mpaka vadin’olona, na ny maloto fihetsika, na ny mpifampila samy lehilahy,


Ahoana no hifanarahan’i Kristy amin’i Beliala? Anjara inona no hiraisan’ny mpino amin’ny tsy mpino.


Mety anankiray amin’ny tanàna nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo honenanareo, no holazaina hoe:


toy izany koa ny mponina tao Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin’ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.


Dia nisy nirongatra hamely ahy ny mponina tao Gibehà ka nanodidina ny trano nitoerako nony alina. Nikasa hamono ahy izy, ary nanolana ny vadikeliko ambara-pahafaty azy.


Dia nalaiko ny fatiny ary norasarasaiko; ka nandefasako toko iray avy isam-poko manerana ny tanin’i Israely, satria zavatra mahatsiravina sy fady tokoa eto Israely no nafitsok’ireo olona tao Gibehà ireo.


Aza heverinao ho toy ny vehivavy ratsy fanahy aho; fa raha nivavaka ela aho, dia satria efa tsy tantiko intsony ny alahelom-poko sy ny fahoriam-panahiko.


Fa nisy kosa ireo olona ratsy fanahy izay nanao hoe: «Ahoana tsara? Io ve no mba hamonjy antsika?» Notebahin’ireo i Saoly ary tsy nitondrany fanomezana. Nefa tsy noraharahain’i Saoly akory izany.


Ireo zanakalahin’i Helỳ dia olona ratsy fanahy tsy mba niraharaha akory ny TOMPO.


Aza miraharaha an’i Nabala ianao, fa olona adala tsy misy antony iny, dia araka ny anarany ihany hoe Nabala-Adala; eny, olona adala lozabe izy. Fa izaho kosa, tompoko, tsy mba nahita ireo tovolahy izay nirahinao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra