Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 18:6 - DIEM PROTESTANTA

Koa niverina faingana ho any an-day i Abrahama hilaza amin’i Sarà hoe: –Haingàna maka lafarinina tsara indrindra intelon’ny famarana ka manendasa mofo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandeha haingana i Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka niteny hoe: Faingàna ianao ka makà koba tsara toto intelon’ny famarana, dia fetafetao ka anamboary mofo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa niverina faingana ho any an-day i Abrahama hilaza amin’i Sarà hoe: –Haingàna maka lafarinina tsara indrindra intelon’ny famarana ka manendasa mofo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka nanao hoe: Faingàna, makà koba tsara toto intelon’ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandeha haingana i Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka niteny hoe: Faingàna ianao ka makà koba tsara toto intelon’ny famarana, dia fetafetao ka anamboary mofo.

Jereo ny toko



Genesisy 18:6
15 Rohy Ifampitohizana  

Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.


Avy teo i Abrahama dia nihazakazaka nankany amin’ny andian’ombiny ary naka zanak’omby matavy tsara ka nomeny ny mpanompony mba hamboariny haingana.


Fa noteren’i Lôta fatratra izy, ka nivily ary niditra tao an-tranony. Dia nanamboarany sakafo sy nanendasany mofo tsy misy leviora ireo, ka nihinana.


Dia nandry i Amnôna ka nanao sari-marary. Ary tonga ny mpanjaka hamangy azy ka nilazany hoe: –Mba avelao hankatỳ i Tamara anabaviko hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako izay arosony.


Dodona aho fa tsy mitaredretra amin’ny fitandremana ny didinao.


Fa ny olona manan-toe-tsaina ambony no afaka hihevitra tanjona ambony sady tsy hirotsaka an-tsehatra afa-tsy ho an’ny tanjona ambony.


Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain’ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin’ny koba eran’ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.


Nony avy natao batisa izy mbamin’ny ankohonany, dia nanasa anay i Lidia nanao hoe: –Satria noheverinareo fa mino ny Tompo tokoa aho, dia mandrosoa ianareo hiantrano any amiko. Ary notereny mihitsy izahay.


mandraisa anjara amin’ny fanampiana ireo sahirana amin’ny samy vahoakan’Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.


Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin’ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin’ny alalan’ny fitiavana.


Tsarovy ny fampiantranoam-bahiny. Nisy tokoa izay mahavatra nanao izany ka hay anjely aza no nampandrosoiny nefa tsy fantany.


Mifampiantranoa ka aza asiana monomonona.


Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo.


Najedak’ilay vehivavy faingana ny zanak’omby mifahy iray tao aminy, dia naka lafarinina izy ka nopotseriny ary nendasiny ho mofo tsy misy leviora.