Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay.
Genesisy 16:4 - DIEM PROTESTANTA Dia niray tamin’i Hagara i Abrama ka nitoe-jaza ravehivavy. Rehefa nahita ny tenany bevohòka i Hagara, dia nanao tsinontsinona ny tompovaviny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nivady tamin’i Hagara izy ka nanana anaka Ravehivavy. Rehefa hitan’ity farany fa manana anaka izy dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niray tamin’i Hagara i Abrama ka nitoe-jaza ravehivavy. Rehefa nahita ny tenany bevohòka i Hagara, dia nanao tsinontsinona ny tompovaviny. Baiboly Katolika Nandeha tamin’i Agara izy, dia nanana anaka ravehivavy; ary nony hitany fa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nivady tamin’i Hagara izy, ka nanan-anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan-anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. Malagasy Bible Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. La Bible en Malgache Dia nivady tamin’i Hagara izy ka nanana anaka Ravehivavy. Rehefa hitan’ity farany fa manana anaka izy dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. |
Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay.
Ary hoy i Saray tamin’i Abrama: –Manodiava anao ny fahoriako! Nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko; ka nony nahita ny tenany bevohòka izy, dia nanao tsinontsinona ahy. Koa aoka ny TOMPO no hitsara ahy sy ianao!
Indray andro, dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: –Antitra ity ny raintsika, ary tsy misy lehilahy eto amin’ny faritany mba hanambady antsika araka ny fanaon’ny tany rehetra.
Indray andro dia hitan’i Sarà nilalao ny zanakalahin’i Hagara ejiptianina, izay naterany ho an’i Abrahama;
Fa rehefa tonga tao an-tanànan’i Davida ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikàla zanakavavin’i Saoly ka nony nahita an’i Davida mpanjaka nandihy sy nibitaka teo anatrehan’ny TOMPO izy, dia naneso azy anakampony.
Ry havako, nampihariko tamin’ny tenako sy tamin’i Apôlao izany zavatra izany, noho ny aminareo. Ka dia ny tenanay roa lahy no hianaranareo ny dikan’ilay ohabolana hoe: «Aza mihoatra ny faritra izay efa voasoratra.» Aoka ianareo tsy hirehareha miandany amin’olona anankiray ka hanabanty anankiray hafa.