Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Genesisy 15:3 - DIEM PROTESTANTA inona no homenao ahy? Izaho ity ho faty tsy manan-taranaka; ary i Elihezera, mpitandrina ny ato an-tranoko, no handova ahy, satria ianao tsy nanome ahy taranaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy koa i Abrama: Indro aho tsy nomenao fara handimby ahy ka indro, ny iray amin’ny ato an-tranoko no handova ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara inona no homenao ahy? Izaho ity ho faty tsy manan-taranaka; ary i Elihezera, mpitandrina ny ato an-tranoko, no handova ahy, satria ianao tsy nanome ahy taranaka. Baiboly Katolika Ary hoy i Abrama: «Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin’ny ato an-tranoko no handova ahy. Malagasy Bible Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy. La Bible en Malgache Hoy koa i Abrama: Indro aho tsy nomenao fara handimby ahy ka indro, ny iray amin’ny ato an-tranoko no handova ahy. |
Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.
Nony ren’i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin’ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin’ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy.
Ny fanantenana mihemo-dava dia mankarary fo; fa ny firarian-tsoa tanteraka kosa mampahazo aina.
Nampiditra mpiasa lehilahy sy vehivavy aho, ho fanampin’ny mpanompo efa nananako. Nanana omby sy ondry aman’osy betsaka noho ireo rehetra nodimbiasako teto Jerosalema aho,
TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?