Genesisy 15:16 - DIEM PROTESTANTA Amin’ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amôrita handroahako azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa amin’ny andron’ny zafiafy dia hiverina atỳ izy ireo; satria mbola tsy feno ny heloky ny Amorita hatramin’izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amôrita handroahako azy. Baiboly Katolika Ary izy ireo kosa rehefa mby amin’ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin’izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian’ny Amôreana.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha mby amin’ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. Malagasy Bible Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. La Bible en Malgache Fa amin’ny andron’ny zafiafy dia hiverina atỳ izy ireo; satria mbola tsy feno ny heloky ny Amorita hatramin’izao. |
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona.
Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.
Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
Zava-maharikoriko loatra no vitany tamin’ny nanarahany ny sampy tahaka ny nataon’ny Amôrita izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.
«Satria nahavita izao fanompoan-tsampy maharikoriko izao i Manase mpanjakan’i Joda ka nanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ny Amôrita teo alohany sady nampanota ny Jodeanina tamin’ny sampiny,
Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.
Ary amin’ny fiafaran’ireo fanjakana ireo, rehefa hihoa-pampana ny otan’ireo mpanota, dia hitsangana ny mpanjaka iray mpirehareha sady fangoloka.
«Aza misy andotoanareo tena ireo zavatra ireo; fa tamin’ireo no nandoto tena ny hafa firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo.
Rehefa voatosiky ny TOMPO Andriamanitrareo teo anoloanareo ireny firenena ireny, dia aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny fahamarinanay no nampidiran’ny TOMPO anay haka ity tany ity ho fanananay!» Tsy izany, fa ny haratsiam-panahin’ireo no nandroahan’ny TOMPO azy teo anoloanareo.
Tsy ny fahamarinanareo na ny hitsimponanareo no mahamendrika anareo hiditra haka ny taniny ho fanananareo; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy eo anoloanareo, ary koa mba hahatò ny fampanantenana izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo.
Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin’ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran’ny fahotana vitan’ny Jiosy, kanjo, tamin’ny farany, dia niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo.