Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Genesisy 14:16 - DIEM PROTESTANTA Tafaveriny avokoa ny harena rehetra nobaboina sy i Lôta zana-drahalahiny mbamin’ny fananany ary ireo vehivavy mbamin’ny olon-kafa rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Voaveriny ny fananana rehetra, ary i Lota havany sy ny fananany dia nampodiny koa niaraka tamin’ny vehivavy sy ny vahoaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tafaveriny avokoa ny harena rehetra nobaboina sy i Lôta zana-drahalahiny mbamin’ny fananany ary ireo vehivavy mbamin’ny olon-kafa rehetra. Baiboly Katolika Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa i Lôta rahalahiny, mbamin’ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin’ny vehivavy sy ny vahoaka. Malagasy Bible Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka. La Bible en Malgache Voaveriny ny fananana rehetra, ary i Lota havany sy ny fananany dia nampodiny koa niaraka tamin’ny vehivavy sy ny vahoaka. |
Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Nony ren’i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin’ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin’ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy.
Dia niainga i Jôsefa handevina ny rainy; niaraka taminy ireo olona ambony tao an-dapan’ny Farao sy ny loholona rehetra tao Ejipta,
Tsy Izaho ve no nampipoitra ilay Mpanafaka avy any atsinanana any, ka niantso azy hanainga ny diany, sy nampilavo lefona ny firenena teo anatrehany ary nampilefitra ireo mpanjaka? Nataon’ny sabany lasa vovoka ireny ary naelin’ny zana-tsipîkany toy ny akofa entin’ny rivotra.
Ary nanontany tamin’ny TOMPO i Davida hoe: –Raha henjehiko ve ireny tontakely ireny, dia mety ho azoko? Ka hoy ny navalin’ny TOMPO azy: –Enjeho izy ireo fa ho azonao, ary dia hoafahanao ireo babo.