Niala teo i Abrahama nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina tao anelanelan’i Kadesy sy i Soro, ary nivahiny tao Gerara.
Genesisy 13:1 - DIEM PROTESTANTA Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin’ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lôta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niakatra niala tany Ejipta ho any Negeva i Abrama, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Ary niaraka taminy koa i Lota. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin’ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lôta. Baiboly Katolika Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo i Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin’ny fananany rehetra, ary i Lôta koa niaraka taminy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ny tany atsimo. Malagasy Bible Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo. La Bible en Malgache Ary niakatra niala tany Ejipta ho any Negeva i Abrama, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Ary niaraka taminy koa i Lota. |
Niala teo i Abrahama nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina tao anelanelan’i Kadesy sy i Soro, ary nivahiny tao Gerara.
Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin’ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.
Ary tonga tao Tiro tanàna mimanda ireo sy tany amin’ny tanàna rehetra fonenan’ny Hivita sy Kanahanita, ka tafapaka hatrany Bery-Seba, ao atsimon’ny faritanin’i Joda.
Nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna izy ireo ka nataony hoe: –Miakara avy any atsimo, dia mianiha ny tendrombohitra
Nalain’i Josoa ny tany manontolo; noreseny avokoa ireo mpanjaka rehetra tany an-tendrombohitra sy ny faritra atsimo ary ny teny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny kisolosolo, ka tsy nisy niangana; naringany avokoa izay rehetra manana aina, araka ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Dia hozarain’ireo ho fito toko ny tany. Ny taranak’i Joda dia hijanona amin’ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak’i Jôsefa kosa hijanona amin’ny azy ao avaratra.
Ka nony nanontany azy i Akisy hoe: «Taiza avy no nanafihanareo androany?», dia novaliany hoe: «Tany amin’ny faritra atsimon’i Joda» na «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Jerahimeelita» na koa «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Kenita».