Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin’ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Namboly hazo tamarisika tany Bery-Sheba i Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’NY TOMPO, dia Andriamanitra Mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin’ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Namboly tamarisa tao Bersabea i Abrahama, ary niantso ny anaran’i Iaveh Andriamanitra mandrakizay teo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:33
22 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.


Nanao fifanekena tao Beera-Seba i Abrahama sy i Abimelèka; avy eo dia niainga i Abimelèka sy i Pikôla, lehiben’ny tafiny, ka lasa niverina nankany amin’ny tanin’ny Filistinina.


Dia niala teo izy ka nankany Beera-Seba.


Nanorina alitara teo i Itsehàka ka nivavaka tamin’Andriamanitra sady niantso Azy hoe TOMPO. Namelatra ny lainy izy ary nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompony.


Nantsoin’i Itsehàka hoe Sibehà (na hoe Fianianana) ilay fantsakana. Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Beera-Seba na hoe Fantsakana fianianana mandraka androany.


Ary i Seta kosa niteraka lahy nantsoiny hoe Enôsa. Hatreo vao nivavaka tamin’Andriamanitra ny olona ka niantso Azy hoe TOMPO.


Fony tsy mbola ary akory ny tendrombohitra, tsy mbola voaforonao ny tany sy izao tontolo izao, dia efa Andriamanitra Ianao hatrizay ka ho mandrakizay.


Efa niorina hatry ny ela ny sezafiandriananao; hatrizay hatrizay dia Andriamanitra Ianao.


TOMPO ô, Ianao no mpanjaka mandrakizay!


Tsy fantatrao sady tsy efa renao va fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay? Izy no namorona ny tany manontolo. Tsy mba reraka Izy na sasatra, ary tsy misy fetra ny fahalalàny.


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Fa ny TOMPO kosa no tena Andriamanitra, Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Rehefa tezitra Izy, dia mihorohoro ny tany; ary ny firenena dia tsy mahatanty ny fahavinirany.


Ireo mpianiana amin’ny sampin’i Samaria sy ireo mpiteny hoe: ‹Velona ny andriamanitrao, ry Dana!› na hoe: ‹Velona ny andriamanitrao, ry Beera-Seba...!› dia ho lavo ka tsy hiarina intsony.»


Hatrizay hatrizay tokoa dia Ianao no TOMPO, Ianao no Andriamanitro masina sady tsy mety maty! Ry TOMPO Vatolampy miaro ahy ô, notendrenao sy nohatanjahinao ny Babilônianina fahavalonay mba ho famaizana sy fananarana anay.


Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin’ny nahariany an’izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny olona.


Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin’ny alalan’ny soratr’ireo mpaminany, araka ny didin’ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an’i Kristy.


Aza anangananareo tsato-kazo fanajana an’i Aserà eo anilan’ny alitara izay hamboarinareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo;


Manangan-tanana amin’ny lanitra Aho, ka mianiana hoe: ‹Velona mandrakizay Aho,


Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana; ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany etỳ. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ary mandidy anao handringana an’ireo.


Ho an’ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Andriamanitra tokana, tsy mety maty sady tsy hita maso, ho Azy anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ka nanompo ireo Bahala sy ireo Aserà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra